Accueil arrow Décennie nationale arrow Communiqué de presse arrow COPH

| Plan du site | Nous contacter |

Le Handicap à Madagascar

>| Contexte général
>| Cadre juridique
>| Convention Internationale

Bonnes pratiques

>| CV-Thèque
>| Témoignage
>| Les artistes handicapés

Newsletter

S'inscrire pour la Newsletter






Compteur de visite

231581 Visiteurs
EXPRESS DE MADAGASCAR MARDI 9 DÉCEMBRE 2003 Version imprimable Suggérer par mail

logo.gif   COLLECTIF NATIONAL DES ORGANISATIONS ŒUVRANT POUR
   LES PERSONNES HANDICAPEES
                           

 


Filazana an-gazety                                                               Antananarivo, 09 décembre 2003

 

Folo taona mitohy ho an'ny Olona Sembana eto Madagasikara

 

Ny C.O.P.H. (Collectif des Organisations œuvrant pour les Personnes Handicapées) dia vondrom-pikambanana miasa ho an'ny olona sembana maherin'ny 100 miparitaka eran'ny Nosy. Ny Tanjona dia ny hijoro ho mpiara-miombona antoka mahomby amin'ny fampiroboroboana ny zon'ny Olona sembana.

Hanokana folo taona mitohy ho an'ity sokajin'olona ity ny Fanjakana Malagasy ny 2003-2013. Tsy mbola misy anefa drafitr'asa mazava hotanterahina mandritra izany. Ny lalàna 97-044 nivoaka ny 02 febroary 1998 no miahy ny olona sembana eto amintsika. Hatramin'izao dia zary malaza tsy hinanana io lalàna io izay efa manana didy fampiharana laharana 2001-162 ny 20 febroary 2001.

 

Tsy azo hodiana tsy hita kosa anefa ireo ezaka mitsitokotoko ataon'ireo vondrom-paritra sy fikambanana samy hafa etsy sy eroa.

 

Amin'izao andro ahatsiarovana ny nanambaran'ny Firenena mikambana ny zon'ny Olona Sembana izao (09 décembre 1975), ny C.O.P.H. dia mamerina etoana ny fitakiany ny tokony hampiharana amin'izay ireo zo nekena fa sitrahan'ny Olona sembana eto Madagasikara. Takiana araka izany ny :


  1. Hamoahana ireo Arrêtés  ministériels  samy hafa nampanantenaina fa tenahampanjary ho azo tsapain-tanana ny Zo voalazan'ny Lalàna 97-044 tamin'ny 02 febroary 1998
  2. Handrafetana fandaharan'asam-pirenena mikasika ny olona sembana ahitana tanjona mazava ahafahan'ireo olona ireo (10%n'ny Malagasy) mandray anjara feno amin'ny asa fampandrosoana haingana sy maharitra ny firenena.
  3. Sarihina araka  izany  ny  sain'ny  manampahefana isan-tokony  amin'ireto Fanontaniana ireto 

 
Fahasalamana :

 

Inona no hatao hanamaivanana ny fahasembanana hahafahan'izay tojo izany miatrika ny fampandrosoana ?

 

Fanabeazana :

Inona no hatao mba ho afaka miditra an-tsekoly avokoa ny olona sembana rehetra alohan'ny 2015 ?

 

Asa syfanofanana araka asa :

Inona no fepetra horaisina mba hanomezana vintana mitovy ny olona sembana amin'ny hafa eo amin'ny Fisahanana asa ? Sy ireo fanontaniana maro miteraka ahiahy amin'ny Olona sembana.

 

Vonona hifanakalo hevitra sy hitondra ny anjara birikiny manoloana ireo fanontaniana maro samy hafa   ireo   ny   C.O.P.H.   amin'ny   maha-mpiara-miombona   antoka   aminy   amin'ny fampiroboroboana ny zon'ny Olona Sembana.

 

Mamerina ny fiarahabana ireo Olona miaina miaraka amin'ny Fahasembanana manerana ny Nosy.

 

Conférence de presse 2004 

 

"Olona Manana fahasembanana, Olom-pirenena Feno"

 

 

CV thèque

Ajouter votre CV
Rechercher

Identification






Mot de passe oublié ?

Recherche



Nos partenaires

Handicap International République Française